You are here: home > Vetso

FOSA FOSA - Sitrak'i Ny AVO

Azo vakiana?

FOSA FOSA

Tsy hoe fitiavana hifosa,
Na fitiavana hitsikera,
Amiko, tsy rariny kosa,
Zato zipo mampidera…

Fa tsy haiko ny hoe hijery,
Ka tsy anambara vetivety,
Inoako fa tsy izy irery,
No manao ilay tsy mety,

Tovovavy jefijefy,
Amin’ity volo noboriana,
Sady mbola  tsy ampy refy,
No mampidera  ny aoriana.

Ny lokomena tsy lazaina,
Izato kavina tsy hay jerena,
Iray kilao raha lanjaina,
Tsy volafotsy, tsy volamena.

No mandeha amin’ny honahona,
Toa hilaza azy ankolaka
“Avy aty ka manatona,
Araho aho raha vao miolaka.”

Ity no hany  vahaolana,
Tsy hilana taratasy,
Ka tsy hisian’ireo mpanolana,
“Miverena ho Malagasy.”

Sitrak'i Ny AVO.