You are here: home > Vetso

TSY HO ZAKANAO - Sitrak'i Ny AVO

Azo vakiana?

TSY HO ZAKANAO

Tsy ho zakanao ,
Ny alahelo izay zakaiko,
Hatramin’izay ka hatramin’izao,
Ka mandehana sombinaiko.

Nefa, tandremo sao variana
Ny rendrarendra eto antany
Ka hanenina aoriana.
Izay ianao vao hanotany :

Inona no niseo ?
Inona no nitranga ?
Indrisy fa tsy mahaleo,
Sy hahafeno ireo banga.

Sitrak'i Ny AVO

Sokajy : fananarana