You are here: home > Vetso

RAHA TOA... - Sitrak'i Ny AVO

Azo vakiana?

RAHA TOA...
Raha toa ilay fitiavako,
No holavinao hatrany,
Dia safidiko rahavako,
Ny handao izany tany,

‘ndeha hamonjy ilay toerana ,
Tsy haitako anao intsony,
Mafy laotra, tsy haiko ferana
Ilay fitiavana namony
Ilay fitiavana naharitra
No noforoniko ho anao,
Nampiadana finaritra,
No indro fa nolavinao

Ka indrisy fa niova,
Alahelo sy hirifiry;
Toy ireny  trano  hova :
Feno hahitra maniry,
Tsy hahitana mangirana,
Fa haizina no ao anatiny,
Ka ny foko manairana
Mafy laotra ka tsy tantiny.

Tsy tantiny tokoa,
Tena mafy izany,
Fa dia nahoana moa ?
Nohon’ny fiainana ihany.


Ka  heritreritra no halefa
Hoe : “Rano very fotsiny ihany”,
Sa aiza re no miantefa ?
‘reo  alahelo sy tomany !
Mirotsaka  dia vita
Tsy hahitana fanafana
Aretim’po indray no hita
Hakivina miompampana.

Tsy azo hevirina intsony
Ny hiantoraka any indray
Fa ‘lay Ray ao ambony
Inoako fa hanome iray

Iray hampiadana ahy
Sy hahitako fifaliana
Lavitry ny haihay
Lavitry ny fijaliana

Ka  hamiratra indray
‘lay hazavana tena tsara
Ka nakako pejy iray
Hanoratako ho tantara
Ilay tantaran’ny fitiavako
Ilay tantarako irery,
Izay tsy afaka ao mabavako
Izay mifono misitery.

Sitrak'i Ny AVO

Sokajy : Fitiavana