Allo! (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
- Allo!
- Allo!
- Izao ianao ve vao mandray?
- Ka mbola tato dadanay
- Tsy ao intsony izany izy izao?
- Mbola ao fa miafina aho!

- Ialako tsiny aky "cherie"
fa tena tsy afaka aho ilay omaly
Tsy hoe nametraka an-dry
na koa te hampijaly
fa ny kotroka nipoaka,
ny orana be loatra
dia bedy aho raha mivoaka
ka tsy afaka nanoatra

- Tsisy olana izany e!
Izaho koa anie tsy tany e!
Nalahelo aho tsy nahatanty
saika hiantso hoe tsy afaka
fa ny "phoneko low bat"
moa ny jiro koa tapaka
ary fa maninona ianao no miantso alina be?

- Ka ny feonao mihitsy koa no tiako mba ho re!
ny feonao rahavana
manala sorisory
raha tsy torinao fitiavana
aho tsy mahita tory

- Zany! tiako be ianao
ianao no hoavin'ny maraina
izaho rehefa eo an-tratranao
tsy misy olana zakaina
Na rivo-doza aza mifafy
tsy misy mampikorapa...

- Mitenena mafimafy
fa somary tapatapaka!
Aiza ianao izany ?
Izaho hoa mila rotsirotsy

- Ato anaty botofotsy
Ianao ity ko o! mba mandiniha hoa lalina!
Efa fantatrao fa bedy aho
raha miresaka @ alina
Taitra eo dadanay
izaho tsy te ho voateny betsaka
tsy aleo ve rahampitso indray
vao mba tohizana ny resaka?

- Eny ary e! rahampitso indray izany
Teninao farany fa ny fahana efa ho lany

-"Cherie" a!ianao ilay masoandro
tsy hikambanako @ hafa
na maraina na atoandro
ny endrikao tsy ho voafafa
Ianao no hianteherako
raha sendra rivotra mahery
mampisinda ny hatezerako
manasitrana ny fery

Ianao aza manahy
fa ny fitiavako tsy ritra
rehefa ianao no lavitra ahy
dia lasa andro ny minitra
Raha sendra olana aho indraindray
dia any aminao no mitaraina
ary matoria amin'izay
fa mbola hianatra maraina
"bonne nuit" ialahy

- "Bonne huit" ndry!
--------
Rohy:
Sokajy : Teny vahiny - Fitiavana
2568 0
Hevitra mandeha
Mijamiary ( 24/06/2013 17:44)
Tsara e! Tena tsara 'zao izy io raha toa ka misy groupe mahay mamoaka an'io ho hira. Mazotoa aby e
Skual.R ( 26/06/2013 18:31)
Ka ndray2 nge ny tononkalo rehefa iraina d misy kanto takona ao amny e! Variana @ le feony ny olana.Misaotra e!
Skual.R ( 27/07/2013 15:34)
ka indraindray anie ny tononkalo rehefa hiraina dia misy kanto takona ao aminy e! Variana any @ feony ny olona. Misaotra anao e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 13/06/2013 19:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151