INONA MOA IZAHO? (Skual)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona moa izaho fa « taomobilina » kapoakaRohitina amin’ny tady any amin’izay tianao andehanako
Ianao no fitokisako ka n’inona hipoaka
Handroso foana aho raha hazominao ny tanako
Inona moa izaho fa ilay hena antanan-tsaka
Tsy mikofoka intsony fa voafikitrao mafy
Ilay fitia anatiko ao anie ka tena latsam-paka
Tsy haiko akory izany dikan-teny hoe mampirafy
Ary ianao kosa ary mba inona e?
Ataoko hoe Andriana angamba?
Ny foko mantsy tsinona
F’ilay andevo kely jamba
Manaiky ho babo mora fotsiny
Manaiky anao ho Andriamaniny
Ianao no hany rotsirotsiny
Ianao no tokana sy maminy
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
Roberto2001 - DotMG