NIOVA BE RAPANANA (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza moa eto an-tanàna
No tsy mahalala an-Drapanana?
Rangahy tia filibàna
Ary koa tena havanana
Amin'ny fitantanan'asa
Manambany be, tsy lasa!

Sendra mba nanapaka
Tamin'ny lalan'ny fiarany
Ny akohon-dry ry Tosy
Kinanjo tapatapaka
tao ambanin'ny kodiarany
Nataony maty hosy.
Avy eo indray notereny i Tosy
Hanasa ilay fiara
Amin'ny savony nosy.
Mba hadio, hangarahara


Tadidiko tsara
Tamin'izaho nandeha natsàka
Nitondra siô roa
Najanoko any afara
Aloha ny iray fa tsy zaka
Ny iray natao loloha.
Niverina aho avy eo
Nandeha nalakilaky
Haka ilay salantsalany
Inona no teo?
Siô potika sy vaky
Fa nibahana ny lalany.


Rapanana?
Biby fatahorana ho an'iray tanàna
Nomena vononahitra,nomena fanajàna
Vidiana lafo ny arahabany
Tena sarotra hifandraisana
Mikitikitika ny havany?
Ataony mahita faisana

NIOVA IZY ANEFA...

Nonerany avokoa
Ny hadisoany teo aloha
Ny vidin'ilay siô
Sy ny saran'ny akoho.

Novatsiany fampitaovana
Ireo tanora mahonena
Izany dia hanaovana
Fanatanjahan-tena

Itony t-shirt itony
Tany aminy daholo
Tsy ory akanjo intsony
F'afaka misolosolo


Jereo ny rindrinay
Feno sariny mitsiky
Ampy hoy izy izay
Ny fahantrana izay nikiky


Nomeny hasina ihany koa
I dadabe mpilaza angano
Fa hoe Nahitany soa
Dia nangatahany tso-drano



Faly ery ny iray tanàna
Fa mba raisiny tanana
Gasy mila fanovana?
Fidio ary Rapanana e!


SKUAL
26 sept 2013
1h:17 maraina
--------
Rohy:
1640 0
Hevitra mandeha
Skual.R ( 28/09/2013 05:14)
Ho setrin'ny tononkalon'i raozigasy any am-bohitry ny very
raozigasy ( 29/09/2013 22:13)
Ny diplo-crisien-dRapanana
investissement ny fananana
dominy tapany ianao
dia ny erany no araraho
Zozoro ( 02/10/2013 20:16)
Fetsilahy be Rapanana ka tandremo tsara ! t-shirt sy ny etsetra ve no ifidianana azy ! aoka indrindra lahy ...sao dia fefika indray e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 28/09/2013 05:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01