Efitra telo (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tahaka izay aho mba nikiry
sy nilofo tamin'ny penina
Izao ity mangirifiry
noho ny kaikitry ny nenina

Ilay vitatsika indray mandeha
no voavoatra ho tambaviko
tsy naharitra ela be
fa hamotika ny ho aviko.

Faniriako rahatrizay
ny ho lasa injeniera
Izao voazeran'ny kibay
ka dia lavo,nianjera

Ny "bac" efa akaiky
vao mipetraka ny olana
Ianao ity tsy manaiky
fa hoe bevokako roa volana

Toa tsinjoko sahady
izany fiainako any aoriana
Efa misy vavahady
miditra amin'ny fijaliana

Raha esorina ny zaza
manenjika ahy ny lalàna
Sady ny efitra sahaza
dia ny afoben'ny fahotàna

Ny reninao indray moa
ataoko hoe milaza angano
Manery mafy antsika roa
ho ao an'efitry ny tokantrano

Ny rainao no tena sakana
Tsy hanaiky izany monja!
Fa handoboka ahy tsy hiakanakana
ho any an'efitry ny fonja.

Skual
--------
Rohy:
1171 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 26/06/2013 17:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016