Fisarahana (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lany ny sakafo
nolemana ny afo
ndrao mandoro tafo
ka hovidiana lafo
ny loza mety aterany

Ndreo izy mivady
ao anaty trano bongo
efa reraka sahady
torovana sy mongo
nitsangana mangina
ho ao an'efitra hatoriana

Tampotampoka eo!
Nalemy ramatoa
tsy niloam-peo
nikohaka in-droa

"Dray re ry lanitra รด!"
hoy i dadabe
niantso mafy an'Andriamanitra
"Ao mba vonjeo re!"

Inona ary no hataony?

Ny andro miha alina
kianjaben'ny mpamosavy
ny aretim-pony miha lalina
mibanjina an-dravehivavy
Ery ambany atsimo
vao mba misy trano indray
ny lalana mankany
mandany ora iray

Sa hiantso ny ankizy?
Hevitra tsy tsotra
Tontolo Ambanivohitra...
Tsy misy tambajotra

Naleon'i dadabe
nanafosafo ny malalany!
Nakipiny ny masony
nanao jery todika
ny fo adaladalany

Niverimberina tao an-dohany
Irony lasa nodiavina,
ilay fihaonana voalohany,
ny adiady izay niravina
tanaty fandeferana
Mamy anie izany e!

Tadidiny ihany koa
ireo tarigetran'izy roa
ilay ravina taretra
nofenoina sary fo...
Eh! Izany ny taloha

Ny fitadiavana sahaza
tao anaty tsy fisiana,
ny famoronan-jaza
tanatin'ny mangina
Tadidiny daholo!

Nony kelikely...
Nahirany ny masony
niverina ny sainy
I bebe kosa...
Tapitra ny ainy
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fiainana - Fitiavana
3243 0
Hevitra mandeha
Skual.R ( 16/07/2013 17:45)
tantara tena marina izy io,ny dadabeako no nitantara ny zava-nisy tamiko ka noraketiko an-tononkalo
arialy ( 17/07/2013 12:04)
tsara loatra ilay fanehoana azy
hery ( 17/07/2013 13:43)
Tononkalo mampieritreritra lalina...
Ontsa kely aho namaky azy
avylavitra ( 17/07/2013 14:07)
Tiako tsotra izao! indrindra moa fa izy tafiditra anaty firaketana tantaram-piainam-pianakaviana indray koa.
raozigasy ( 18/07/2013 10:28)
tiako mihitsy ny aingan'ity zandrikely ity ann
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 16/07/2013 17:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141