Ho anao (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ialako tsiny aky ry neny
raha taratasy no tonga any
Satriko hiantso ombieny ombieny
fa ny fahana efa lany

Inty fehezan-tononkalo
omeko anao tsy misy fetra
Satria ny tena no mandalo
fa ny soratra mitoetra

Raha ny amiko indray
angamba diso fantatrao
Fijaliana mahamay
isan'andro lava izao

Miventsoventso velon-tsento
Mahatsiaro, mitomany
Izaho irery sisa no eto
manimanina te ho any

Tsy mahita tory ny alina
mila anao fa mangatsiaka
Lasa saina sy mandalina
mahatsiahy ireo vitantsika

Ny maraina aiza ihany
ialako ny tanĂ na!
Ahazoako teny mamy
sy ilay oroka mafana

Izay angamba no azo omena
Izaho tsy kivy sanatria!
Fa mbola mino,manantena
hoe ianao koa mbola tia

Veloma, mandram-pihaona
dia tandremo adinonao
fa ianao ilay tiako foana
ny foko anie ka babonao

Skual
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 20/06/2013 06:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143