You are here: home > Vetso

Ho avy aho - Skual

Azo vakiana?

Ho avy any aho rahampitso
f'aza mihetsiketsika ao
tsy hitoraka fanitso
toa izay efa fanao...
na haniraka ankizy
mbola revo milalao
Fa hanaraka ny fomba
Ny fomba amam-panao!

Tena ho avy aho aky malala
ka hosory diloilo
tsy hiafina any an'ala
feno lavaka sy tsilo...
na hisioka lavareny
eny lavidavitra eny
Fa hanaraka ny fomba
Hitondra Ray aman-dreny

Rahampitso aho no ho avy
tsy hiafina intsony
tsy ho sarisarim-bavy
fa fitiavana no ambony
Ho avy aho hisedra mazana
tsy amin'ny resaka totohondry!
Fa hanaja fomban-drazana
Hanati-bodiondry

Skual
20/06/13

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

DotMG (21/06/2013 11:08:48)

Tiako ity, rohizako ity misy anankiray mitovy lohateny taminy, nosoratako tamin'ny taona 2007 : http://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/ho-avy-aho

Skual.R (21/06/2013 21:07:11)

Misaotra anao fa mahafinaritra e!