Inty aho (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa maninona ianao
no manjombona ry tiako?
Moa ve tsy fantatrao
sa tsy tsapanao ny fisiako?

Inty aho ho anao
mbola vonona hitia
hitondra hery vaovao
hampifalifaly an-dry

Izaho sy ianao mifankatia
no paradisa eto an-tany
ka na iza no tsy tia
tsy ahoantsika izany

Raha izay mpankahala
aza ataonao mampahory
Mbola inty aho aky malala
tonga hanala sorisory

Aza kivikivy izany
fa vao maika miarena
izaho tsy aiza fa eto ihany
ny fitiavako jerena

Izy Ray ao ambony
mijery midina hatrany
ary aza mitomany intsony
sao harary no hiafaràny
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
810 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 19/06/2013 06:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145