Izy (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy lesy ilay olon-tiako
sady efa ela no niriako
ary izy no nofidiako
mba ho ankanim-pifaliako

Ny masoko vao mijery
dia izy, izy irery
eny na dia hamela fery
sitrapoko io fa tsy an-tery

Na orana mifafy,
na rivotra migafy
na amin'ny mora na amin'ny mafy
sanatria raha ny hampirafy

Na ho mamy na hangidy
efa iza no safidy
Sarobidy,lafo vidy,
manapaka,mandidy

Hokoloiko fa tsy foiko
mpanjakan'ity foko
mampitombo ny finoako
Ahalalako ny hadisoako

Nahitako fahendrena
sy ireo ditra mahonena
izaho tsy manana harena
ny fitiavako jerena

Mandratra fo indraindray
manao fika tsy milay
mampifila, manafay
rehefa izy ny ahy dia izay

Skual.R
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
992 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 19/06/2013 06:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102