Mahereza - Skual
Azo vakiana?
Ny fahitako anao marary
voaratran'izy izay
no...nanoratako diary
hampahery anao indray
Satria namako ianao
ny manampy anao ko zoko
Fa izay marary anao
dia manindrona ny foko.
Ny fonao manontolo
no natolotrao ho azy
tsy atakalo, tsy hay hasolo,
tsy kilalao na vazivazy
Izy koa namaly am-bava
sy nilaza ho tena tia!
Ankehitriny anefa rava
hay ny azy am-badika fitia
Nahare ngidy toy ny angivy
ilay fonao latsam-paka
Dia iny ianao fa kivikivy
Toa malaina ny mitraka
Aza mitomany intsony
fa vao maika miarena
Indray andro any ho tsaroany
f'ianao no tena volamena
Eny mandatsa izao ny nenina
mahita anao anaty lavaka
Izaho kosa handray penina
handohalika hanandratra vavaka
Ray รด!sitranonao ny fony
izay mizaka fijaliana
Ny alahelony ampionony
mba soloy ho fifaliana.
Mombamomba
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 13/06/2013
Mpamangy : 853
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
APETRAHO NY CVAleoko
DIA GAGA IANAO
INONA MOA IZAHO?
TIAKO NY SIPAKO
ANTEMA
NIOVA BE RAPANANA
SMS
Raha mivavaka ianareo
Iny tsikitsikiko iny