Mifona (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy zavatra miafina
fa efa fantatrao daholo
efa azonao tarafina
ny ao am-poko manontolo

Ireo fanerena, fialonana
sy ireny teniko ireny
dia asetriko fifonana
ifonako ombieny ombieny

Marina fa tiako ianao
tsy azo lavina izany
anefa raha tsy sitrakao
dia avelao hivalona any

tsy ifanerena ny fitia
sady tsy azo andrakandramana
fa rehefa hoy ianao hoe tsia
dia aleo hijanona ho mpinamana

Ifonako raha hadisoako
no nilaza tia anao
fa io ilay teny tao am-poko
tsy voafafa hatram'izao

Raha nahasorena anao
ny namborahako fitia
dia mifona, avelao
mba milelam-paladia

Saika ho tazomiko ho ahy irery
Mody nataoko vazivazy
feno loatra ka mitady ho very
dia nalefako "message"

Fantatrao ankehitriny
ny fandehan'ny tantara
aza dia omena tsiny
fa efa potika sy tara
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2788 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 17/06/2013 17:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139