Neny (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hampahery anao no nanoratako ry neny
Fa tsy hampifoha ny ranomaso vao narotsakao omaly
Henoko daholo ireny nataon'ny dada ireny
Na nafeninao mafy aza
fa hay ianao mijaly

Tsy natory aho iny alina iny naheno anao nitabataba
Voavono maharary ka nihika nitomany
Niaritra ny kapoka sy ny hamamoan'ny dada
Izao tratrako maraina ianao matory eto @ tany

Dia toy izany foana ve no entinao ry mama?
Mahia lava,tsy afa-pery noho ny afitsoky ny ditrany
Ianao no toa mpamelona fa ny azy ny karama...
Laniny @ revy sy voatataky ny sipany

Ny sisasisam-paosiny no antenainao angamba!
Mba ho saram-pianarako tsy voaloha efa ela be
Aleo aho hiala hianatra,hanampy anao hanasa lamba
Fa andao hangorona entana dia aleo isika mandeha
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
916 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 23/04/2015 05:51)
tena mampalahelo mintsy sady hainao ny mamoaka le hevitra ho tononkalo!!! tena nisy ve le tantara?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 13/06/2013 17:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147