Ny soratra mpanoratra (Skual)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny soratra mpanoratra?
Tsy ilay litera velively
Toy ny kodiakely io
misy takona tsy hita
anefa omby volavita
ka karohy dia ho hitanao
tena ataovy sava hao


Ny soratra mpanoratra
dia misy faroratra
mampitohy ny tanany amin'ny ati-fonao any
Iny ianao ilay mitomany
lasa am-borona aok'izany
na entanin-kafaliana
ka mibitaka am-pandriana


"Mandehana ry voasedra"
hoy i Kiriah
ainga izany sady ngeza
mampahery anao ho sahy
andramo voaboasana
ny hevitry ny hoe:"fa tsy tia anao ny fasana"
manahirana ilay tonony e?
Fa misy hevitra koboniny
Izany ry izy mianakavy
no soratry ny favy


"Any am-bohitry ny very"
no hitondran-dRaozigasy
anao hamaky sy hijery
ny fahorian-dRamalagasy
soloiny vava ianao mpivarotra
fahoriana iaraha-manana
iainany ny sarotra
takiany koa ny fifidianana
Izany re rahavana
no soratry ny goavana


Ny soratra mpanoratra
io indrindra no mibaiko
mampatsiahy anao ilay olatra
napetraky ny (tsy haiko)
Tsy mitaiza ho kanosa
na sanatria mampihorohoro
fa hitandremanao kosa
amin'ny afo efa nandoro

SKUAL
--------
Rohy:
1821 0
Hevitra mandeha
Skual.R ( 13/08/2013 17:35)
Atolotra ho anareo mpanoratra rehetra ato, ialàna tsiny ho an'ireo voatonona anarana.ialàna fondro ihany koa ho anareo tsy voatonona
raozigasy ( 13/08/2013 20:53)
Ny soratrao no taratra,
manao tamberin-jery
Mamboraka ireo hafatra,
nafeninao irery

ny soratrao no ako
miverina mihoraka
milaza an-damako
ireo gejanao hiboraka

ny soratrao tadio
miriotra manamafy
ireo tsimoky ny anio
tambin’ny nafafy

ny soratrao no nofy
herim-paniriana
manamaivan-drofy
ireo olana tsy tiana

ny soratrao no soratra
mametraka tantara
mandrakitra an’holatra
sary hoan’ny ao afara
Skual.R ( 14/08/2013 08:14)
Misaotra Raozigasy a
Kiriah ( 14/08/2013 08:45)
Misaotra Skul a!
tsara ery lay iz!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 13/08/2013 17:21
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145