You are here: home > Vetso

Tiako ianao - Skual

Azo vakiana?

Tsy miavona aho fa...

rehefa ianao no sendra tazako
midoboka ny foko
mihidy koa ny vazako
tafiondrika, manjoko

Tsy zakako ny mijery
ilay masonao manjelatra
miantefa ety amin'ny tavako,
fa toy ny misy hery
manjopiaka toy ny tselatra
manampina ny vavako

Eny,miantso ianao indraindray
dia modiako tsy jerena
fa ny ao anatiko mahamay
ny tarehiko miboramena

Asa ianao raha mahatsikaritra
ny fangalarako fijery
rehefa ho dify anao
Mitopy kely tsy maharitra
ary tafateny irery
hoe tena tiako ianao

Saingy...menatra aho!

Sokajy : Fitiavana