Ty zaho e! (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manana aliaka aho
ao an-tanananay
blaky no anarany
izy mainty ranoray
Izany aliaka izany raha hangery an-tonkotany a!
Dia izaho mihitsy
no midina ambany
misoroka ny tainy
sy manome izay ilainy
sangisangy, safosafo
arahina sakafo

Any ho any anefa
misy olona sahirana
efa mirefarefa
tsy hita izay mangirana
Ara-bakiteny
ilay hoe mitrongy aloha vao homana
ireny dabam-pako ireny
no antom-pivelomany
mangidihidy lava
kakerin'ny haofotsiny
FA DIA JEREKO FOTSINY

SKUAL
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana - fiainana
1516 2
Mpakafy: DotMG - Skual.R
Hevitra mandeha
DotMG ( 12/08/2013 11:24)
Voatifitra an-tampon-kandrina aho tamin'ity.
Misaotra anao izahay mpankafy.
Skual.R ( 12/08/2013 13:54)
izany angamba ry DotMG ilay tsorina @ fiteny hoe "izay ilay fiainana"
kiriah ( 21/09/2013 13:29)
henjana ndray alou iny e! , soa ihany fa efa naveriko any amin' ny tompony lay aliaka tato .
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 11/08/2013 17:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139