Azafady ary e! (Soayin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady akia ry tiako a,
Ifonako na dia tsy fanahiniko,
Niavonavona sy nidongidongy,
Nangaringarika sy nilongilongy,
Nilanila vaniny sy be kizitina,
Tezitra tamin'ny tsy misy dikany.

Azafady akia malala a,
Mamelà ny toetrako adaladala,
Azafady tsy nandray ny antso,
Nangina, nampiady maso,
Nampifila, nanao be mokondoha,
Tsy niraharaha, ka nankarary fo.

Azafady raha nahalasa gaigy,
Nanilikilika rehefa enao nanakaiky,
Azafady tamin'ny teny mavesatra,
Ireo nandratra sy nahaketraka,
Nampiasa saina, nampiteny irery,
Nampigoka taoka sy nampirediredy…

Azafady raha diso saro-piaro an,
Nikitakita sy nanipy kiraro,
Tia savasava sy be adiady,
Nanao izay nampiady,
Niketoketoka fotsiny tsotr'izao,
Kanefa tsy misy fahadisoanao.

Azafady fa fitiavana daholo izany e,
Tiako enao hanambitamby ahy,
Hampihanta sy hamihina ahy,
Hiangola sy hilaza teny mamy,
Te iraikitra aminao aho toy ny lakoly,
Raha tsy izay ohatrany tsy ampy moly...
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Hambom-po - Fitiavana
684 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Soayin
Nampiditra : Soayin
Daty : 26/01/2021 12:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095