Tsy manam-paharoa (Soayin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiambarateloko ianao,
Fifalian'ny foko tsotr'izao,
Fahasambarako ny ho eo anilanao,
Hameno tsiky ny andronao.

Ny tontoloko efa feno anao,
Tsy haiko hazavaina ny anton'izao,
F'ilay fitia mitsiry ao anatiko ao,
Dia mitondra ny anaranao.

Manana ny ampy aho misy anao,
Tsy foiko ny fihin-tananao,
Manome toky fa tsy hamela ahy,
N'inon'inona sedra na fakam-panahy.

Mamiko ery ny fiarahantsika,
Tiako ho atao diary, hira sy mozika,
Fitia tsotra kely, fa lalim-paka,
Sitraka, matotra, fa tsy lakalaka…

Aleo hokaloiko ho ahy irery aloha,
Ho kolokoloiko mba ho soa,
Ho nofonofisiko ihany koa,
Fa tantara tsy manam-paharoa.
--------
Rohy:
555 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Soayin
Nampiditra : Soayin
Daty : 26/01/2021 08:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01