Mbola mendrika ve aho? (Soayin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maniry ny hitafa kely Aminao aho,
Fotoana fohy ihany raha mba sitrakao,
Misy fanontaniana tsy mety voavaliko,
Manaloka ahy, mameno ny saiko.

Tsy hoe very aho vao itodika Aminao,
Fa mba mangataka ny fahazavanao,
Anilo ahy, anampy sy ampatsiahy,
Ny fandaharana efa nosoritanao ho ahy.

Tsy ny hamantatra mialoha ny ampitsoko,
Tsy hanontany izay antom-pisiako,
Tsy hangataka Aminao ny anjaran’ny hafa,
Fa mba ahitsio aho raha sendra solafaka.

Toroy làlana aho tsy ivoana any an-kady,
Omeo toky aho hoe ekenao, sao fady,
Ho mendrika eo imasonao ihany,
Izay no mba iriako itoetra hatrany.

Izay safidiko anie tsy ampisaraka ahy Aminao,
Ho reko hananatra ahy foana ny bitsikao,
Fenoy ny fahendrenao aho tsy ho voasarika,
Na hanandrakandrana fotsiny izay mahafinaritra.

Aoka tsy ny sitra-poko no isongadina,
Fa Aminao irery ihany aho no hiankina,
Ampio hizara ny tsara rehetra avy any Aminao,
Tsy ho mpanompo fotsiny, fa ho zanakao.
--------
Rohy:
439 1
Mpakafy: Soayin
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Soayin
Nampiditra : Soayin
Daty : 27/01/2021 09:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106