Mba tahio ilay tiako (Soayin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria nataonao izay nihaonanay roa,
Tafaray, samy tia, nifanojo ny fo,
Efa voasoratrao mialoha ny tantaranay,
Tsy haharitra ve? Sa tena anjaranay?

Samy nihevitra hoe efa tojo ny anjarany,
Ny saiko niezaka nametra ahy ho namany,
Samy tsy nisy nanampo ho raiki-pitia,
Kanjo sendran'ilay tena tiana sy tia.

Avy hatrany izy dia nahasarika ahy,
Tsy voatohitro ilay foko nitempo ho azy,
Ilay toetrany tso-po, fantatrao mihoatra ahy,
Tia misahirana hoan'ny hafa, na be vazivazy…

Ny fitiavako azy tsy miafina Aminao,
Ny hahalaliny sy ny lanjany fantatrao,
Fa noho ireo toe-javatra manasaraka anay,
Dia hoe isampana indray ny dianay.

Eny, natsiaro sambatra ery aho teo anilany,
Feno tsiky, mbola isaorako Anao ihany,
Eto indray aho dia mangataka Aminao,
Tsy ny hamerina azy amiko, raha tsy sitrakao.

Na haratra ary ny foko, Ianao no ifikirako,
Fa tahio sy omeo fiadanam-po ilay tiako,
Mba ampio izy, fenoy ny fahasoavanao,
Ny androny sisa rehetra anie ho tantananao.
--------
Rohy:
451 2
Mpakafy: Mamenosoa - Soayin
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Soayin
Nampiditra : Soayin
Daty : 31/01/2021 12:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142