EFA NISY (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA NISYEfa nisy tiako talohanao rahavako;
Izy no nikolo ny fakan'ny fitiavako.
Nanao 'zay faraheriny hianohako ny mamy.
Tsoriko ny marina fa tena nisy izany.
Izay vehivavy izay tsy mbola nitoloko;
Tsy mbola sahy nilaza hoe leo anao ny foko!
Na inona nafitsoko mikasika ny ditra.
Ny fatran'ny fitiavana natolony ahy tsy ritra.
Fa nihodina ny taona, nivadika ny rasa;
Angamba koa toy izany 'lay hoe " ririnin-dasa"
Nahita anao ny foko dia rombo sady jamba.
Nahay namadi-doko, nanarinary lamba!
Nilaozako ny tiako fa tojo anao safidiko.
Ny zotra lavareny nafoiny, tsy tadidiko!
Ny tiako fahizany koa moa tsy dia sarotiny,
Kanefa izy indrindra no namolavola ifotony.
Tso-drano no natolony, tsy nisy ny arakaraka.
Vao mainka teny mamy no re niraradraraka.
Tiako ianao malalako, fa izy tiako ombieny,
Samy hafa mantsy ny fitiavanao sy Neny.
I neny no voaloham-pitia tsy nifangaro,
Fantatro f'indriako efa saika saropiaro.
Ny an'i neny ange ka fitia madio am-po !
Ny antsika kosa andaniny, fitiavan'olon-droa.
SOLIMAH
©110918®
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
SOLIMAH
