REHEFA HIOVA FO (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa lasa vato ny fo anatiko aovao mety hahazaka ny toetra ratsinao,
Satria hatramin'izao
dia mbola tena nofo....!
Tsy afaka misedra ny rivotra mifofo
sy ny erika mifafy.
Dia aza ankalozaina amin'
izay salovan-drafy fa
ory sady mangana.
Alaivo sary an-tsaina hoe
eto an-davarangana aho no
iny ianao, midola amin'ny
zazavavy raitra.
Na aza tsy eto imaso,
Dia iangaviako!.... Andraso
hivadika tanteraka ho vato ny fo nofoko.
Ka rehefa tena hiova ?
Omeko fahefana ianao :
Sahia , dia mandalova,
Na dia vehivavy zato no hiaraka aminao.
Satria raha lasa vato
ny fo anatiko ao,
Dia tsy haratra intsony.
Ny rafiko aza angamba no
handatsa indray ny fony,
Handinika ny tanjak'
izato tompom-bady,
Mahery sy tomady,
Fa vatovato fo...!
Zazavavy henjana,
Matanjaka atidoha....!
...... S O L I M A H ......
©05-10-21®
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
SOLIMAH
