FA TSY TANTINY (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonon-kira tsy maty vonoina
any am-pon'ilay tianao fahiny
ny hasambarany izay nolotoina,
Namafazany tody aman-tsiny.

Tsy voakosony tsotra amin'izao
raha ny ratra napetrakao aminy.
Sitrany aza hivaly aminao,
Fa mangidy tokoa izao ny maminy.

Sedra niainany fa tsy mampino...!
Rava maina ilay hoe mandra-maty.
Zava-tsarotra izay hanadino,
Efa miezaka, saingy tsy tanty.

Ianao any izao mandry fanahy,
Izy kosa kaikerin'ny lasany.
Velon-tsento izy raha mahatsiahy
ny fitiavana lò any am-pasana.

Ninianao novonoina ilay afo
izay narehitrareo fahizany!
Dia nanjavona ireo safosafo,
Tsara sitrika ambanin'ny tany.

Sombintsombin'ny ratran'ny fony
izao ambarako anao eto izao.
Izy angamba tsy hiarina intsony,
Fa voadakan'ny fo vatonao.

.....S O L I M A H .....10-2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
5 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 14/10/2026 05:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0128