NY FOKO (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Menatra ny foko,
Mahita ny fonao
afaka manao
izao hira rehetra izao.
Ny ahy ny fo voarara,
Tsy afaka mizara
izay kalo tiany hambara.
Mananonanontena,
Voatsindry hazo lena,
Mampiakatra vinany,
Mankany dia mankany,
Misento irery eto ihany,
Faranana tomany
ny sidim-binavina.
Mahantra ny ahy ny foko!
Alevina ao ambanin'ny
tanam-bokovoko.
Ambivitra ho lò,
Mahantra(raha) samy fo,
Sesefana ho voky
fa tsy mba misy toky
hahazo tsiry loatra.
Toy ny tanimanga
tinefy sy voavoatra,
Dia apetraka amin'ny tany.
Bolongana toy izany
no iainany ato an-tratra!
Tsy vato anefa izy ao
fa nofo ka maratra.
Voadona , manaintaina,
Ory, tsy afa-miaina,
Misento , mitaraina,...

......S O L I M A H ......10/2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
22 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 09/10/2026 15:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0173