FITIAVANA (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy fitiavana amidy amin'ny toko,
Fa atolotra fotsiny hivadika toky.
Dia misy fitiavana koa, maro loko ;
Mampisendaotra an'izay diso voky.

Tsy misy fitiavana amidy an-databatra,
An-tratra mangina ao no jonojonoina!
Saingy maranitra be toy ny sabatra.
Manangatra sady tsy maty vonoina.

Tsy misy fitiavana atao dokam-barotra,
Manatona ho azy izay babo sy liana.
Ny aretim-pitiavana hono ka sarotra!?
Mampitoloko ny tia sy ny tiana.

Tsy misy fitiavana afafy amin'ny tany,
Volena ao am-po ao vao afa-mitsiry!
Fa misy fitiavana mampitomany,
Kanefa raha tia dia tsy maintsy mikiry!

....SOLIMAH...
16 - 10 - 19
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
13 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 16/10/2026 03:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0264