REHEFA TSAPANAO (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tsapanao manonjany eritreri-manantena,
Rehefa tsapanao ny fonja
izay ihafian'ny firenena,
Rehefa tsapanao mitroatra
ny hambom-pon'ny maro an'isa,...
Dia mahaiza manamboatra
sarintsarim-paradisa...!
Tsy dia hoe filam-boatsiary
raha mitaky izao sy izao.
Zara raha mihinam-bary,
Saingy toa tsy fantatrao !
Misy aza any, mandry fotsy,
Miari-piainana mangidy.
Ny karama zara fa...,
Ny entana eto miaka-bidy.
Ditin'aina tsy ho faty
no andrapahan'ny vahoaka,
Fa ny anao ny katikaty
toa tsy sasatra mivoaka!
Isan'andro Ramaria
manenjika an-dramalagasy.
Dia voafingany satria
ny mponina efa lany vatsy.
Ny aingitraingitra ry zandry
tsy aharesena ny mosary.
Matoa marefo ny ara-tsandry,
Ny kibonay no tsy ampy vary.
Rehefa tsapanao tokoa
fa mila vonjy i Gasikara;
Dia vonjeo izahay fa voa.
Ovay ny pejin'ny tantara.
Itodiho ny tsy ampy kaly,
Jereo tsara dia banjino
fa mahantra sy mijaly,
Mila vonjy dia aza adino.
Rehefa tsapanao fa tena
osa marina ny pokona*.
Aoka kosa hojerena,
Sao dia sanatria hitokona...!
.....S O L I M A H .....
30- 09- 21
*pokona = fitenin-jatovo andikana ny vahoaka.
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
