FANAINGA (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitaona ny ambiroako hitety ny habakabaka ny alin'ny ririnina,Fa ny olana dia izao :
Tsy haiko nofintinina
ireo avosan-tsento manaloka fanahy.
Mirongatra eo ny tsiahy,
Mikopaka aok'izany,...
Ngolin'ny fanala ny nofoko osa an-tany
...ka donto sy domelina.
Difotra sy mamon'ny tsiaro indray mihelina.
Misarika ahy hilafika an-tsoson-dani-polo ny voary sy tontolo.
Toa reko manimbolo sy
mila hanambara karazan-kira hafa.
Madiva ho voafafa ny lohataona lasa,
...fa pejy vao no itony
milahatra etsy ambonin'ny sidim-binavinako.
Hatramin'ny namihinako antsasa-bolan-tsinana no azoko ny tonony.
Rakotra baraingo ny sary asehon'ny fonony.
Miangavy ahy hitolefika an-joron-dambany eny ireo soratra sy teny :
Voambolana fitia,
Ny fo roa miara-dia,
Ny hevitra fonosin'ny ainga tsy voafetra.
Tsapako sahady ilay aina feno setra
sy tolona ifanaovan'ny misy sy ny miafina.
Fanainga tsy hay faritana,
Loko tsy hay tarafina.
---- S O L I M A H ----
02---07---2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Hevitra mandeha
hery
(
02/07/2026 07:43)
Tena waow milatsaka any anaty
