ORA TOY IZAO (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ora toy izao ilay manainga fanahy,
Mandoko eritreritra imason'ny lanitra.
Mitsimoka ho azy ireo angon'ny tsiahy,
An-tratra ao, voavelin'ny tsilo maranitra.

Ora toy izao any an-tany fiadiana,
Manomboka ny herin'ireny tafondro.
Tsy sasa-misento ny fon'olon-tiana,
Fa miandry tanàna ry Meva sy Rondro.

Ny zaza misandratra kosa etsy andaniny:
Velon-korana sy revon-dalao.
Ao ireo maka aina amin'ny asa sahaniny,
fa miavaka loatra raha ny ora toy izao.

Ny etsy amin'ny toeran'ny rano mahery,
Manomboka miainga ny vera mangirana.
Eny izy ireo no mitady ny very,
Manao fiankohofana sarotra idirana.

Misy mivoaka , dia misy ny mody.
Samy miseho azy ho manan-katao.
Izay te haka aina dia atao fanafody
ny miaina amin'ny tsiron'ny ora toy izao.

......S O L I M A H .....
©11-08-23®
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
29 1
Mpakafy: SOLIMAH
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 14/08/2026 13:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125