SORATRA AMAN-TSARY (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Topy indray miserana monja no nanaingo
vangongon-dahatsoratra anivon'ny tontolo.
Asa na mba firy ireo tsoraka sy faingo,
fa an'eritreri-moana no zary manimbolo.

Mba voninkazo avy aiza ity very ka nania ;
sa tojo zaridaina niriany hitsatohana?
Safidy hafahafa no baozin'ny fitia....!
Fitia te hamololona an-kianja hitsimohana.

Fitsiky zary lefona an-tratran'ireo babo,
Voataonany amin'ny loko misarika fanahy.
Hirotsaka eo ny kintana maro ka sahabo
hiraraka amin'ny tany ny vetson-dralehilahy.

Sendra felan-draozy mideradera bika,
Manjelatra, mitaratra hatrany anaty tsoka.
Mino sy Mahefa mitsiky anaty hatsiaka.
Enga anie ho vitsy ireo ainga voasodoka!

Fa soratra mandoko izao rafitra eto izao.
Manendy iray minitra hiloaran'ilay emboka.
Iriana hifandrindra amin'ny tsangan-tsarinao,
Kanefa mety misy ireo sina sady tsemboka.

Lalaovina amin'ny teny izay tazana sy hita,
Hanjary vetso miaina , hisarika ny fo.
Andininy fahaenina aloha izao no vita;
Dia mety raha faranana hatreto indray aloha.

~~~~ S O L I M A H ~~~~
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
28 1
Mpakafy: SOLIMAH
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 30/06/2026 19:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117