Aina (Solo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AINA*

Mamy tsy nananam-piry, ka satriko tokoa haharitra.
Ilay tokana aman-tany tsy misy mahasolo.
Toa fofon’ny nahandro ; voly varin’Andriamanitra.
Nandalo monja ihany na dia voakolokolo.

Rakotra haizina ny androko, ory anao ny fo adalako.
Toa rakotry ny tsilo ny soritr’ito làlako.
Irery tsisy mpampionona aty an-tanin’olona.

Te-hivary lavo marina e, nefa moa hanova inona ?
Te-hitroatra, hihiaka “rariny” : Fa maninona
no notazana sahady ity raozy mamololona ?

Niezaka aho anefa hampitony fahoriana,
raha nahita sary an-tsaina ity tsirim-pifaliana :

Toa tazako iny sambo iny mitondra anao hiampita.
Veloma, hoy aho, malahelo mitomany.
Ery am-pita kosa ireo Anjely, faly fa mahita
ny fahatongavanao ho AINA an-danitra any.

Roma 01 Mars 2004.

* Atolotra ho an’i Aina, nodimandry tamin’ny 01 mars 2004.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1679 1
Mpakafy: ain
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solo
Nampiditra : marozevo
Daty : 18/04/2006 17:46
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134