Raha (Solo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA...

Raha tsy maintsy hisafidy izay tany hiorenana,
Sy tsy maintsy hiorim-paka amin-toerana honenana :
Safidiko i Gasikara.

Raha tsy maintsy hisafidy izay olona hiarahana,
ka tsy maintsy hiankim-po amin’izay ho tena namana :
Safidiko ny Malagasy.

Raha tsy maintsy hisafidy izay teny ihany koa,
Ka tsy maintsy hiloa-bava hanambara ny ao am-po :
Safidiko ny teny Gasy

Raha takiana ny herin-tsaiko mba hikaro-pahalalana,
Ka hanoratra izany ho herin’ny fanantenana :
Soratako amin’ny teny Gasy.

Roma Febroary 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1493 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solo
Nampiditra : marozevo
Daty : 18/04/2006 17:42
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108