Zony (Solo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZONY

Tena zony ny hahafantatra ny zava-misy marina
Miseho an-Tanindrazany.
Nefa lainga no afafy, zava-diso no ampàrina
Ronono an-tavy no mba tazany.

Tena zony ny hilaza izay mba fiaimpiainany
Any ambanivohitra any.
Voan’ny tampim-bava lava, ka izay mba fitarainany
Rano raraka amin’ny tany.

Tena zony ny hiaina, hisakafo mendrimendrika
Eo anivon’ankohonany.
Fa ny fiaina-manahirana, mova tsy efa sambo rendrika
Mbola tsisy vahaolany.

Tena zony ny ho arovana, na ny ainy na fananany
Mba tsy hisy hanembantsembana.
Nefa izay aleha rehetra, na an-tsaha na an-tananany
Lavitry ny fahalemana.

Fa mba iza kosa hoy aho no Rangory fototr’afo
Ka nanitsaka ny zony ?
Ireo karatra narotsany, safidy novidian-dafo
Hay nandrotika ny fony.

….. Fifidianana …..

Antsirabe 07 Mai 2001
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1862 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solo
Nampiditra : marozevo
Daty : 18/04/2006 17:43
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143