tsisy afatsy ianao (Sombiniaina Rakotoarivony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
manina anao aho ry 'lay tiko
ny ahita anao no faniriko
ra mba eto anilako mantsy ianao
dia tsy harary toy izao aho

ny eo anilanao no fahasambarako
ka ho mandrakizay ny tantarako
toa nanofinofy zah ndray andro
tsy aiko, mety ho nofy atoandro

tiko ianao, tiko loatra
tiko ho tsapanao 'lay fitia miha-mivotra
inona re no ataoko mba ahatsapanao izany
fa rah ny ahy aloha dia tsisy afatsy ianao no eto antany
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1262 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sombiniaina Rakotoarivony
Nampiditra : Las
Daty : 05/05/2015 13:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154