You are here: home > Vetso

LAVITRA OLOTINA - Tahina Fabien

Azo vakiana?

E!!manirery zato foko
Dia miventso mangina,
Rempotry ny toloko;
Fa lavitr'olotina
.
Ny saina tsy mitombina
Fa manaloka ny endriny
Ka anolotra na sombiny
Teny kely amin'ny peniny,
.
Ny zaridaina no miloko,
Ka kanto sy marevaka
Mahasondrina  inty foko,
Izay mitady mba ifezaka
Dia ilay tokako any mantsy,
Vorokely tsy andrarezina;
.
Maro be mpitia,
Atahorako ho very
Dia mivavaka aho satria
Mba tsy atsapako manirery,
.
Raha any ianao ka manina
Ho vesaran'ny alahelo
Dia ny tokiko tsy mijanona,
Fa injao mamelovelo
.
Manantena mbola ihaona;
Iaradalan aminao
Ilay foko efa trindrin-dahona,
Satria lavitra anao
.
Misy teny iray,izay ataoko tarigetra
Hoe ny fitiavako anao dia ts mba asiko fetra,
Lavitry ny maso fa akaikiny fo
Ho fatsapana manirery an'ilay tokako

FITIAVAKO RAHATR'IZAY

Hametraka hevitra

Midira aloha