MBA HAFARO! (Tahiry Andry Lafatra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry rivotra mitsoka รด !
Mba teneno ahatsiaro 'lay tiako lavitra ahy
Fa izaho tena manina malahelo lava azy
Toa tsy tsapako ny tenako, nilaozan'ny fanahy,
Ny hatsiaka sy ny orana nilaiko mba ho sazy.

Tiako loatra izy ka izy ihany no voafidy
Hanala izany jaliko fa tsy mila olon-kafa
Hanosoka ny toerany izay tsara tefy tsy voavidy
Fa efa azy samy irery 'lay fitia tsy ho voafafa.

Ny fahitako azy no manome aina vao ny saiko
Izay efa donto manembona azy any ho any
Fa izaho tsy hitady hafa intsony ; izany tsy ilaiko
Fa efa izy no hany tokako sy fanevako eto an-tany.

Fa mba aiza hoe ianao no tsy hita intsony?
Ela ela mihitsy fa tsy vao omaly akory
Izao ny tinao hoe mijaly, marary koa ny fony
Noho ianao tsy hita mampijaly, mampaory.

Mila anao ny fony hoe ho fanafody mahasitrana
Ho tena azo antoka hanambitamby sy hiaro...
Ny fony toa marefo, mora maty,mora azom-pintana.
Iangaviako ianao izao, azafady MBA HAFARO

TAL>Lapan'ny Nofy
(30:08:15)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - embona
1452 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tahiry Andry Lafatra
Nampiditra : Nofy Ny Fitia
Daty : 07/04/2016 16:14
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102