SOATOAVINA (Tahiry Andry Lafatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia mifamaly mahatsara fihavanana
Takalo patsa vidim-pihinanana
Vava miteny mpampita hafatra
Izaho raha miteny tsy hoe tonga lafatra
.
Hazo tokana tsy azo lazaina hoe ala
Ny misaina irery maha lasa adala
Mitan_takolaka manisa vitsika
Very fanahy fanahy;miandry izay bitsika
Izay mitoka -monina toa mpamosavy
Mitady ny haizina toa ramanavy
Ny hazavàna efa hita hitapifiana
Fa ny haizina indray no tiana hotafiana
Fanondro tokana tsy mba mahavoa
Ny akanga maro tsy vakin'amboa
Singan'olona ve moa ahafaty biby?
Fa ny hery mitambatra no sarobidy
Ny taon-trano tsy hefan'ny irery
Izay maningana ihany no mety ho very
Miseho azy ho mahavita tena
Nefa ny loza ahazo tsy mba jerena
Koa andao hiray hina;hifanolo-anana
Mba hamitrana indray ilay fihavanana
Izay efa mihalefy sy efa mikoro
Nefa SOATOAVINA tsara mba efa nijoro
TAL>05/05/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Firaisan-kina
1419 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tahiry Andry Lafatra
Nampiditra : Nofy Ny Fitia
Daty : 06/05/2016 17:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103