You are here: home > Vetso

NY POETA HONO... - Tahiry Andry Lafatra

Ny poeta hono adala,
Fa miteniteny foana
Tsy mba mahalala
Ny zava_manoloana
.
Ny poeta hono bado,
Tsy mba misy atao
Voa sy tena babo
Mitsikera ,belazao
.
Ny poeta hono fanetry,
Mambotry fiaraha_monina
Tsy hita izay hasetry
Ny amin'ny zavatra tononina
.
Ny poeta hono tsy misaina,
Fa miraviravy tanana
Ny amin'ireo taraina
Ka tsy azo hatao ho namana
TAL>07/06/16

Sokajy : Ny poeta

Mombamomba

Mpanoratra : Tahiry Andry Lafatra


Nampiditra : Nofy Ny Fitia
Daty : 12/06/2016
Mpamangy : 1059
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Raozy!
Lasa
SOATOAVINA
MBA HAFARO!
Ny fitiavako ve?...

Hametraka hevitra

Midira aloha