You are here: home > Vetso

Ny fitiavako ve?... - Tahiry Andry Lafatra

Tsy fitian'ny marivo salosana
Fa fitian'ny olo_mandinika
Raha saromana saro_totofana
Tsy voadiniky ny olona vinitra
Fitia tena latsaka anaty
Lalim_paka mafy fongorina
Efa nisotroiko ny aleoko maty
Tomboka havatsa tsy azoko esorina
Toy ny otrik'afo mandoro tsy laitra
Misoko mangina ao anatin'ny foko
Hiafiko izay hitranga na ngidy mafaitra
Ny foko voatefy e!tsy an_dairan_toloko
Maro ny tia fa izaho mbola hafa
Asa na
izany 'lay oh'eh adala angamba
Tena marina izany,tsy ilaina mpanatsafa
Ny foko no mitia,ny masoko efa jamba
TAL>Lapan'ny Nofy

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Tahiry Andry Lafatra


Nampiditra : Nofy Ny Fitia
Daty : 26/03/2016
Mpamangy : 1112
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Raozy!
Lasa
NY POETA HONO...
SOATOAVINA
MBA HAFARO!

Hametraka hevitra

Midira aloha