Izaho sy Malala (Takelaby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fantatro izay atao,
rehefa mibanjina ahy ianao
Tsy hitako izay atao,
hijanona sa hitady fiainambaovao
Tsy vitako intsony anky
ny manalavitra andry

ny alahelonao mavesatra
monina any alavitra any
ny hakiviana mitambesatra
hofohanantsika izany

Tsenao aho fa ho avy
matokia ilay ao ambony
Tsenao aho fa ho avy
ary aza malahelo intsony


Fiverenana:

tiako ho fantatrao fotsiny
ny zavamiafin'ny fiainana
tiako ho hitanao fotsiny
lalamben'ny tena fiainana


Ny lalampiainantsika roa,
efa voasoratra avokoa
ilay nofiofintsika roa
efa voasoratra ao ampo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1518 1
Mpakafy: vatolampy3
Hevitra mandeha
vatolampy3 ( 15/11/2009 17:03)
mety ilay romantisme e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Takelaby
Nampiditra : takelaby
Daty : 14/11/2009 10:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144