You are here: home > Vetso

Sekoly - Takelaby

Azo vakiana?

Gaga i Dada, mahita ahy mazoto mianatra
satriko foana hanontanay ilay mpampianatra
taloha nefa aho zara fa mitsidika sekoly
izao lasa toa relijiozy mpamaky baiboly

Gaga i Neny, mahita ahy mahavita devoara
lasa nisy fivoarana fa mahazo naoty tsara
zary kilalaoko ireo kajy sy ny raikipohy
ny lera efa tapitra aza tadiaviko hitohy

mahataitaitra ahy ny mahita an'i madama
mivazavaza ireo variana sy mitamatama
mamerindesona ho an'ireo tsy mahatsiahy
indrindra fa mikasika ny vavy sy ny tovolahy

mahafinaritra ahy ny mahita and-ramose
manazava ny lesona amin'ny solaitra be
mahita vahaolana sy mitsikitsiky lalandava
mitantara hantsikana rehefa akaiky hirava


Hevitra mandeha

vatolampy3 (17/12/2009 14:16:44)

sakafo, tsena, izao indray sekoly... fa misy madama foana aloha e.
vatolampy3

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Takelaby

Nampiditra : takelaby
Daty : 09/12/2009
Mpamangy : 1320
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Voky voanjobory
Izaho sy Malala
Sarokenatra
Zoma mahafinaritra