You are here: home > Vetso

Voky voanjobory - Takelaby

Azo vakiana?


te hisinda kely aho, hiala vetivety
te hifaly kely aho, ho rendriky ny fety
fa manenjika fotoana sy toa maika lava
ka ny hanina aza tsy tafiditra ny vava

androany atoandro aho lasa tendakanina be
vao mahita ireo sakafo mampilendalenda be
tiako aripaka daholo, na ranony na vetiny
hitahirizako avy hatrany ny otrikaina etiny

androany hariva aho mety tsy ahita tory
manonofy sy mandrezatra ilay voanjobory
androany hariva aho mety hiditra hopitaly
manonofy sy mandrezatra ilay ravitoto omaly


Fiverenana:

Aza omena tsiny aho, fa androany ihany
ela niafiana fa izay lany eo dia lany
Aza bedesina loatra aho fa mba haditra
ela niafiana fa izay ritra eo dia ritra
Aza saziana aho fa sendra ny tsy fidiny
ela niafiana fa izay vidiny dia vidiny

tena voky be ...
tena dizina be...


Sokajy : Fety

Hevitra mandeha

vatolampy3 (26/11/2009 04:57:11)

mety ny anao, rehfa tsy mahita aleo misakafo e. vatolampy3

Mombamomba

Mpanoratra : Takelaby

Nampiditra : takelaby
Daty : 21/11/2009
Mpamangy : 1256
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Sekoly
Izaho sy Malala
Sarokenatra
Zoma mahafinaritra