Zoma mahafinaritra (Takelaby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fa nankaiza ianao Ranaotra, toa tsy hita mba nandalo
fety be anefa teto, ny zoma hariva hatramin'ny valo
Vao maizimaizina ny andro, dia raikitra ny tafa
afabizana niasa, fa raha teo Ranaotra mbola hafa

amboarintsika ny fotoana, amin'ny herinandro ambony
antsoiko ianao zoma hariva,mba tsy ho adino intsony
ka izao no hanaovantsika azy, toy ny fanao taloha
izaho mandrehatra kitay, fa ianao miantsena aloha

mitadiava nofonkena, ataovy ilay malemilemy tsara
ary ataovy be dia be, fa tsy hanomboka dia lany zara
ilay trafonkena saika hadino, mba hanamandina ny tratra
miaraka amin'ny tsoka menaka, izay fanao mahazatra

Toa azoko antsaina sahady, i Ranabavy raha vao tonga
miramirana sy falifaly, miaraka amin'ireo kilonga
iny mbola tazandavitra, dia hiorakoraka mibadabada
miakiaka ireo ankizy hilaza hoe: "efa ao antrano dada"

Efa vitanay daholo, mbamin'ny sasana vilany
ka ny hany sisa hatao dia ny mihinana ihany
alefa loha ny ankizy hihinana, fa vizaka ny nilalao
fa ny antsika afaka minadry, sady mbola misy atao

rehefa miakabolana iny, efa mandry ny Tanàna
izay izahay sy valy, vao mba mampidina mafàna
dia raikitra ny karajia, miaraka amin'ny vazivazy
ka ny sorisorind-Ranabavy dia hanjavona ho azy
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
1638 0
Hevitra mandeha
hery ( 26/11/2009 09:15)
Tiako ny fomba fanoratrao... fiainana andavanandro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Takelaby
Nampiditra : takelaby
Daty : 26/10/2009 17:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148