Sarokenatra (Takelaby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy ilay mamo iray izay
raha niteny taminay
tsara daholo izay jerena
rehefa varina ny tena

ka no toana no fidiako
mba hasoloko ilay tiako
dia ilay toaka tsy manary
na dia mety hankarary

hanalako indray ny tahotra
te hilaza nefa miahotra
miandry fotsiny hojereny
fa tena tsy afaka miteny

raha vao misy ny fotoana
dia toa satriko eny foana
mba hitazandavitra azy
toy ny olona voasazy

Izy koa kay efa niandry
mitebiteby tsy tafandry
vao mahatazandavitra ahy
dia midoboka fanahy

indray hariva avy orana
indro kala mody torana
toa manomboka mivena
fa mba mila famonjena

dia fantatro avy hatrany
fa izaho no maminany
miova mbamin'ny fijeriny
hampiseho ny tena heriny

iza moa no nanampo?
ireto sarokenatra ankiroa
tena izay no efa lahatra
ny orana aza dia nitsahatra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1282 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Takelaby
Nampiditra : takelaby
Daty : 27/10/2009 11:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134