TsiaTsiaSao ianao mihe (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsia

Sao ianao mihevitra fa teny mandeha ho azy no indro alefako eto
Tsia, teny voahevitra voalatro sy voarindra natokako indrindra
ho an'ireo nama-manirery, mitoloko, tsy voajery, ato ambadika ato

Voageja sy voafatotra amin'ny rojon'ny fitia nirina ny ho doria
Kanefa dia indrisy tsy afaka hankaiza na koa hiriaria
Tsia, tsy toy irony fitia voa mamelana dia nandazo na koa nihazohazo

Fa fitia mankadiry nandalo dia nitoetra voafantsika ao anaty
Izay nibahan-toerana, nandrakotra niserana ireo voaratra mafy
Tsy ilay fahitanao lalaina lava izao fa tena hafa kely

Tsia, tsy fitia an-jaridaina mibahana ny saina, tsy handinika ny fo
Fa fitia tena marina mahay mandanjalanja, mampangina ny ambom-po
Ka na mahatsiaro manirery dia indro faly ihany misaina ny taloha

Tatamo Ravaky Ny Farihy
21/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
805 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 21/07/2016 05:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147