Ampianaro aho mitia (TöBi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
@ Ampianaro aho mitia @

Ampianaro aho mitia,
Fa ny hany mba haiko sy ny takatry ny saiko
dia ny miteny tsotr'izao ,ny teny hoe " Tiako ianao "
Akory, tsy arahan-tambitamby sy teniteny mamy

Ampianaro aho mitia,
Fa ilay fitiavana haseho ,'ty vao taitra tanin-keo
Ka tsy ho matotra sahady fa vao mianatra mandady
Tantano mora re ,dia mba ampianaro mandeha

Ampianaro aho mitia,
Mba tsy ho sendran' hetraketraka na irony fitia ratsy petraka
ho Laviran'ny tsy satry ary tsy ho lany vatsy
Fa mba ho tena lavorary, arahin-tantara mamy

Ka mba ampianaro aho mitia, raha sitrakao indrindra iky
Mba higoka an'izany hasambaran-tsesilany
Ka ho laviran'ny tsy satry , tsy ho sakaizan'ny ratsy
fa ho fitaratry ny tsara ary ho heniky ny manda


@Tobi@
2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
268 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TöBi
Nampiditra : NatheFy
Daty : 04/06/2023 16:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132