REHEFA HATORY LAVARENY (TöBi)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hihintsana ho lo 'ty endrikao madera
Aorian'andro maro hialanao ety
ka hanjary hody vovoka sy hiraraka tsy miera
ity vatanao malia, izay mahafatifaty erY

Ka indro ary ny safidy :
mamy sa mangidy?
No hasetrinao ety, dien'ny mbola eto an-tany
hamela tsitra sa tsiaro makadiry?
ho an'ny hafa ianao ? safidinao izany angamba

#Tobi
26/01/23
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/tbi/rehefa-hatory-lavareny
Sokajy : safidy - Anatra
71 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TöBi
Nampiditra : NatheFy
Daty : 30/01/2023 16:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.4078