Hisafidy .. (TöBi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
@Hisafidy.. @

Hisafidy ny hino fotsiny aho androany
Hanaiky ny baikon'ity foko marary
Hiaino ny safidiny hoe ho volamena sa ho vato?
Hisalotra fery sa ihany koa am-piato ?

Hino azy ho androany, izy izay mibaby ny ngidy
Mizaka ny tsy erany satria tsy hany voafidy
Na dia nanolotra ny mihaotra ,nanaiky ny tsy fidiny
Mino foana foana fa ny ranomaso misy vidiny

Hiaino azy aho androany, izy izay feno tsitra
Manarona amin'ny fihetsika milanto ny fery tsy hisy ahita
Tsy tiany mantsy , rehefa maratra izy vao misy hahatsiaro
Tsy tiana mintsy izany eee , izany no fantaro

Avelako izy androany , avelako anao izay tiany
Moa ve mety mbola hisy sakana na koa anome tsiny?
Hoe noentin'ny fony dia latsa- dranomaso
Fa na lahy aza ianao , marary rehefa tojo ankaso

@Tobi@
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
191 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TöBi
Nampiditra : NatheFy
Daty : 04/06/2023 16:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015