Fanoloran-tena (Tefigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa taona maro izay
No niantsonao ahy ry Ray
Mba ho tena zanakao
Hiaina fiainam-baovao.

Saingy izao no tena adala
Ninia nikipy, tsy hahalala
Ny fitia natolotrao
Sy fahasoavana hatrizao.

Dia nivily lalan-dava,
Dia nandà, namoaka vava,
Ka niala taminao,
Nisafidy tsotra izao.

Ankehitriny kosa anefa
Dia voadona, niantefa
Teny an-kady nahafanina
K’indro tonga saozanina

Koa mibebaka aho ry Raiko
Hiverin-dalana indray
Hiditra ao an-dapanao
Ny tarigetrako: ho Anao

Koa mba raiso sy vimbino
Izato dian-janakao
Aza avela, sakambino
hombay ‘zany elatrao.

Tefigasy - 2011
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Aingam-panahy
1164 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tefigasy
Nampiditra : Tefigasy
Daty : 03/05/2011 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143